Bienvenue sur le site de l'Eglise Luthérienne Malgache à Paris.
Rechercher


  vous êtes ici:  www.flmparis.org
verset du jour


calendrier
* pensez à supprimer les fichiers ou le "cache" de votre navigateur pour actualiser le calendrier, merci
P E N T E K O S T A

Pentekosta, dimam-polo andro tao aorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, andro nidinan'ny Fanahy Masina teto an-tany.  Rehefa niakatra ka tonga tany an-danitra Jesosy, dia naniraka ny Fanahy Masina Izy sy ny Ray hidina ho eo amin'ireo mpianatry ny Tompo izay nivory tao Jerosalema.  Nanomboka teo no niorenan'ny Fiangonana voalohany ary nisy telo arivo ny olona nifoha ka natao batisa*(1), ary dia mbola mitohy ankehitriny izany mandra-pihavin'i Jesosy hitsara ny velona sy ny maty*(2).

Amin'izao taon-jato faha roapolo izao, moa ve mbola hita taratra eo amin'ny ny fiainan'ny mino ny vokatry ny Fanahy Masina ? Ny Fiangonana ve mbola miorina amin'ny maha vavolombelon'i Kristy azy ?  Azo lazaina avy hatrany raha mijery ny toetran'ny kristiana ankehitriny dia indraindray tsy hita taratra intsony ny asan'ny Fanahy Masina. Na ny ao anatin'ny fiangonana  aza misy manao izay mampalahelo ny Fanahy Masina sy mamono mihintsy aza ny asan'ny Fanahy Masina*(3).  Ny asan'izao tontolo izao sy ny filany no efa  tafiditra sy manjaka. Fikomiana, ady lahy, fifandiranana sy fitadiavana voninahitra sy laza no mameno ny toetran'izay milaza azy ho kristiana. Ny mpivavaka izay natao hitory sy hiady ho amin'ny filazantsara, ho miaramila an'i Kristy, dia lasa mitolona sy milahatra etsy sy aroa ho an'ny fanjakan'ny tany*(4) sy izao tontolo izao sy ny filam-boninahitra ary fitiavam-bola*(5). Tsy synagogan'ny Satana ve izany?*(6)
Izany indrindra no nahatonga an'i Jesosy nampitandrina mafy ny mpianany hoe MIAMBENA. Fotoan'ny fihemorana tanteraka izao taon-jato iainantsika izao*(7), tsy hita taratra intsony ny toe-panahy araka an'Andriamanitra  eo amin' ny kristiana sy  ny fiangonana, fa feno fihatsaram-belatsihy sy avonavona, ary ny kibony no andriamaniny*(8).

Eo antrehan'izany dia aoka samy handinin-tena ny tsirairay avy ! Mbola miasa ao aminao ve ny Fanahy Masina ? Mbola hita taratra ao aminao ve ny vokatry ny Fanahy Masina ? Manomboka eo amin'ny fandihin-tena ny FIAMBENANA mba hahafahanao mibebaka marina sy miverina amin'ny fitiavana voalohany*(9). Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana (Apok 2.7).


Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra !

Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO


*1.Asa 2 ; *2 Fanekempinoana Apostolika ; *3 Efes 4.30 ; *4 Jao 18.36 ; *5 I Tim 6.10 ; *6 Apok 2.9 ; *7 II Tes 2.3 ; *8 Fil 3.19 ; *9 Apok 3.2-3.