Bienvenue sur le site de l'Eglise Luthérienne Malgache à Paris.
Rechercher


  vous êtes ici:  www.flmparis.org > media-center > albums
verset du jour


calendrier
* pensez à supprimer les fichiers ou le "cache" de votre navigateur pour actualiser le calendrier, merci
albums

Isantaona FBL Eropa 2009

publié le 01/03/2009 - 00h41, par FLM / Webmaster

Fileovana Marseille 21 sy 22 Fevrier

Ny Isan-taonan'ny FBL Synodam-paritany Eropa dia natao ny 21 sy 22 febroary  2009 tany amin'ny Fileovana Marseille.

Ny teny faneva dia nalaina  tao amin'ny bokin'i Nehemia 2 :17b " Andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika"

Ny bokin'i Nehemia moa arak'izany no niompanan'ny fampianarana rehetra. Nehemia dia mpanangana ny rava , izany hoe ny iraka notontosainy  dia ny hanagana indray ny mandan'i  Jerosalema.  Ny toetra  nentiny nanatontosana izany adidiny izany dia  ny fiainam-bavaka sy ny fahaizana mizara andraikitra.

Aoka ary mba ho toa an'i Nehemia koa isika vehivavy  : ho mpanangana ny rava.

- Manomboka amin'ny tenanao sy ny tokan-tranonao, inona no rava ao ? - Eo ami'ny zanakao, maro koa ny enta-mavesatra entin'ireo zanatsika ireo sahady : ny fifaneraserany amin'ireo mpiara-mianatra aminy (fanavakavaham-bolon-koditra ...) adidinao ny manampy azy amin'izany.
Eo amin'ny fiainan'ny fiangonana, toy izany koa eo amin'ny fiainam-pirenena dia aoka ho mpanangana ny rava ny FBL.
Ary aoka ho feno fiainam-bavaka ianao ho entinao manatontosa izany ka hahitan'ny fahavalonao "fa Andriamanitra no nahantontosa izany"(Nehemia 6 :16).
Nahatratra 17 ny solon-tenan'ny FBL avy aty amin'ny Fitandremana Paris tonga nanatrika tany miampy ireo mpamily 3 lahy izay tolorana fisaorana feno eto.Noderain'ny Prezidan'ny Synoda FLM manokana  ny fiaraha-miasan'ny Fileovana Paris sy ny Fileovana Ile de France izay niara-nanatontosa ny takariva mahafinaritra ny sabotsy hariva. Irariana ny fitohizan'izany fiaraha-miasa izany.Dia ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

Ny Mpitan-tsoratra



commentaires
Pas de commentaire pour le moment