Bienvenue sur le site de l'Eglise Luthérienne Malgache à Paris.
Rechercher


  vous êtes ici:  www.flmparis.org > toriteny > litorjia
verset du jour


calendrier
* pensez à supprimer les fichiers ou le "cache" de votre navigateur pour actualiser le calendrier, merci
litorjia

Alahady faha 13 man. Trinite Matio 5.43 - 48
Past. RAMANANTSOA Haja Wilson, Tonia Nasionaly FKTLM

publié le 17/08/2008 - 18h58, par FLM / Webmaster



Pastora RAMANANTSOA Haja
suivante
1/3
Pastora RAMANANTSOA Haja
Toriteny FLM Paris 17/08/2008

Ry fiangonana malala,
Ampitomboina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Ny Perikopa izay anjarantsika amin'izao alahady izao dia mampahatsiaro antsika ny maha - zanak'Andriamanitra antsika, ary manoro hevitra antsika ny amin'izay tokony hataon'ny zanak'Andriamanitra eo anatrehan'ny fahavalo sy ny mpanenjika.  

1.Andriamanitra Raintsika dia tanteraka - isika dia zanak'Andriamanitra
2.Ny zanak'Andriamanitra dia tia ny fahavalo
3.Ny zanak'Andriamanitra dia mivavaka ho an'ny fahavalo

I.ANDRIAMANITRA RAINTSIKA DIA TANTERAKA - ISIKA DIA ZANAK'ANDRIAMANITRA
-Rainareo izay any an-danitra: Ray am-panahy - ao amin'ny toerana masina
-Ray tanteraka - Tsy misy toa Azy
-Mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy; ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
-Ny hoe ratsy fanahy sy ny tsy marina moa dia ilazana ny olona izay tsy mino sady manohitra ny fisian'Andriamanitra. Eny ny mpanompo sampy izay manompo ny fahavalon'Andriamanitra dia ny devoly.
 * Kanefa na dia izany aza dia ambara eto fa Tsy manavaka sady tsy mizaha tavan'olona amin'ny fanaovany soa ny olona rehetra Andriamanitra
 * Mizara soa sady malala-tànana amin'ny olona Izy.
-Ny zava-dehibe voalaza eto dia ny fanehoan'i Jesosy fa Andriamanitra dia be fitiavana ary tena tia antsika tokoa satria nanao antsika hoe zanany.
 *ary io no azo lazaina fa Filazantsara amin'ity Perikopa anjarantsika ity.
 *Naverin'i Jesosy in-droa eto ny hoe: " ... zanaky ny Rainareo izay any an-danitra (and.45)...aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra..(and.48)
 *Izany hoe Jesosy manao antsika ho zanak'Andriamanitra.
-Izany indrindra no nahatonga an'i Jaona nilaza ao amin'ny Epistily I Jao .3.1:" Endrey manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoany antsika hoe zanak'Andriamanitra sady izany tokoa isika."
-Noho ny fanavotana sy ny famonjena nataon'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana dia vita fihavanana amin'Andriamanitra isika.
-Jesosy nandatsaka ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana, maty ary nitsangana tamin'ny maty: velona mba ho tonga zanaky ny Ray izay any an-danitra izay rehetra mino Azy.
-Ka ny fahatanterahan'izany dia teo amin'ny nanaovana Batisa antsika.
-Asehon'ny nanaovana batisa antsika fa teo amin'ny hazo fijalian'i Jesosy dia noraisintsika feno ny famelan-keloka sy ny fanavaozana.
-Tsy fahavalo intsony isika eo anatrehan'Andriamanitra fa zanaka malala.
-Tsy misy mahay mitia antsika mihoatra ny fitiavan'i Jesosy Antsika satria ny ainy no natolony ho fanavotana antsika.
*Fantatrao ve fa zanak'Andriamanitra ianao?
*Ny zanaka dia manana fo matoky tsara ny Rainy
*Ny zanaka dia miankina tanteraka amin'ny Rainy amin'ny zavatra rehetra
*Ny zanaka koa anefa dia manaja tsara ny Rainy sady manome voninahitra Azy.
Eto dia misy toetran'ny zanak'Andriamanitra ampianarin'i Jesosy antsika mba ho toy ny Raintsika izay any an-danitra isika:

II. NY ZANAK'ANDRIAMANITRA DIA TIA NY FAHAVALO

Tia ny fahavalo.
-Jesosy no naneho modely tsara indrindra ho antsika raha ny fitiavana ny fahavalo no resahina.
-Raha ny marina dia tsy nanangana olona ho fahavalony mihintsy Jesosy, fa ny olona no nitsangana ho fahavalony.
-Nanohitra an'i Jesosy olona
-Na dia nanao fampianarana marina sy asa fanasitranana eny fananganana ny maty aza Jesosy dia niezaka ny olona izay notarihin'ny mpisorona sy ny mpanoradalana ny fariseo nitady izay fomba rehetra hamonoana an'i Jesosy.
-Eo amin'Andriamanitra ny dikan'ny hoe Tia dia mizara famonjena. Fa toy izao ny nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrankizay.(Jao. 3.16) Dia nanao famonjena sy fanavotana ho an'ny olona rehetra tokoa Jesosy.
-Ny mino koa dia tsy mba manana fahavalo na iza na iza. Kanefa dia misy ihany izay olona mitsangana ho fahavalontsika.
-Misy olona tsy tia anao - eny mitsangana ho fahavalonao ary manao izay izay hampahory sy hampahalahelo anao amin'izay ataony rehetra.
-Ireny olona tsy tia sy manao anao ho fahavalo ireny matetika dia ataon'ny devoly fitaovana handavoana anao sy hamotehana ny fiainanao ary indrindra handrava sy handrodana ny finoanao.
*Kanefa dia hoy Jesosy eto hoe: tiava ny fahavalonao.
*Izany hoe izarao famonjena ny tahaka izay nataon'i Jesosy ny olona tsy tia anao.
-Mazàna anie dia tsy fantatrao mihintsy ny hoe inona no tena mahatonga ny olona hankahala sy hanao anao fahavalo e!
?Na inona antony na inona antony dia izao ihany no tenin'i Jesosy: tiava ny fahavalonao
Izarao famelan-keloka ny olona tsy tia anao
Anambarao ny fitiavan'Andriamanitra azy ny olona mankahala anao
Izarao fitiavana - izarao fiadanana - izarao fahasoavana ny manohitra anao. Izay manko no nataon'i Jesosy tamintsika. Satria na dia toy ny tena fahavalo tokoa aza isika noho ny fahotantsika dia teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy no niteny hoe: " Ray ô! Mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony". Tena fitiavana ny fahavalo izany.
Aza mamaly ratsy ny ratsy - fa valio soa ny ratsy.
-Ny zavatra matetika mitranga dia ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy zanak'Andriamanitra.
-Ary izany dia miteraka fifanolanana sy fifampiandaniana ary fitsitokotokoana eo amin'ny samy mpino.
*Ny zanak'Andriamanitra dia tia filaminana sy fandriampahalemana ary fihavanana
*Ny zanak'Andriamanitra dia tsy tia ady sy korontana, ary tsy tokony hanao na iza na iza ho fahavalo fa kosa rahalahy sy anabavy.
*Resinao izay mitsangana ho fahavalonao rehefa hainao ny mampanjaka ny FM ao am-ponao ka mahatonga anao mahay mamela heloka sy maneho fahalemem-panahy aminy.
*Ny zanak'Andriamanitra dia tarihin'ny Fanahy Masina, fa ny vokatry ny Fanahy dia: fitiavana - fifaliana - fiadanana - faharim-po - fahamoram-panahy - fanaovan-tsoa - fahamerinana - fahalemem-panahy - fahononam-po ....(Gal.5.22)

III.NY ZANAK'ANDRIAMANITRA DIA MIVAVAKA HO AN'IZAY MANENJIKA AZY
Ny fanenjehana dia zavatra mpahazo ny zanak'Andriamanitra hatramin'ny voalohany. Jesosy no tena niharan'izany mafy tokoa.
Ny fanenjehana an'i Jesosy aza dia tena niafara tamin'ny fampijaliana mafy sy ny famonoana teo amin'ny hazo fijaliana.
*Kanefa dia tsy namaly Jesosy na nanohitra ireo izay nanenjika Azy.
Inona no nataony, dia ny nivavaka ho azy ireo. Hoy Izy: " Ray ô, aza hatao ho helony anie izao fahotany izao".
Izay nanenjika an'i Jesosy sy ireo Apostoliny fahiny dia ny jentilisa sy ny fanjakana tsy kristiana.
Fa ny antsika ankehitriny dia mampalahelo mihintsy satria mazàna dia ny samy kristiana no mifanenjika sy mifanaratsy ary mifanoso-potaka.
Ny samy zanak'Andriamanitra no mifanaratsy
Ny samy olom-boavonjy no mifampiteny ratsy sy mifanohitra toy ny mpifahavalo.
Mbola ao ihany ve ny Fanahy Masina amin'izany ? Izany matetika no manimba ny asan'ny fiangonana.
Raha manana ny Fanahy Masina tokoa ny mpino dia tsy tokony mifanenjika sy mifanaratsy, satria ny Fanahy dia fanahin'ny fampihavanana sy fitiavana.
Na izany na tsy izany anefa dia hoy i Jesosy: " mivavaha ho an'izay manenjika anareo"
-Izany hoe ento am-bavaka izy"
-Homeo anjara vavaka avy aminao izy
-Hangataho fitahiana sy fahasoavana izy
-Manomeza fotoana hivavahana ho azy
-Mangataha fifonana sy fibebahana ho azy
*Diovy ny fonao manoloana ny olona izay manenjika anao
*Manàna fifaliana sy fitsikiana na dia haratsiana sy hosoram-potaka aza ianao.
*Ento eo amin'i Jesosy ny adinao dia matokia fa Izy no hampandresy.
*Ka ny dikan'ny fandresena amin'izay dia tsy hoe resy lahatra ny mpanenjika anao - na koa hoe voa ilay mpanohitra anao. Tsia! fa tsy ny fahavoazan'izay mpanenjika anao akory no fandresenao - fa izao kosa MATANJAKA NY FONAO - ARY FENO FIADANANA SY MANANA FIFALIANA NA DIA HARATSIANA SY HENJEHINA AZA.
Raha ny fijoroanao tsara amin'ny finoana sy amin'ny marina no hanenjehana sy hanaratsiana anao dia matokia tsy mamela anao ho irery Jesosy fa manome anao hery hahazakana izany Izy.

FEHINY:
Raha fehezina izay rehetra izay dia izao no azo amintinana azy:
Tsarovy fa zanak'Andriamanitra ianao - zanaka tena tian'ny Ray - malalany :
Ary ny dikan'ny tenin'i Jesosy eto manao hoe:" tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo..." dia izao:
*Mahaiza mamela heloka
*Manàna famindram-po
*Ataovy izay ihavanana amin'ny olona rehetra
*Io no fiainana ny tena fitiavana araka ny nolazain'i Jesosy hoe : Mifankatiava tahaka ny nitiavako anareo, fa izany no ahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo raha mifankatia. (Jao 13.34-35)
Aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra izay efa Azy hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrankizay. Amen!




commentaires
Pas de commentaire pour le moment