verset du jour
calendrier
vaovao farany
"... Hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra " Filipiana 4.18
Ry havana malala ao amin'ny Tompo.
Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Voninahitra sy fifaliana ho an'ny FLM Fitandremana Paris no manasa anareo hanatrika ny voka-dehibe izay karakarainy ny alahady 7, 14 sy 21 jona 2009 ho avy izao. Ny toerana dia ao amin'ny 7, rue Marie Rose - Paris 14è.
Izao fihetsiketsehana izao dia minkendry indrindra ny hanatevina ny ho enti-manana ho :
Fampandrosoana ny fitoriana ny Filazantsara,
Fampianarana sy fampiofanana ary fampitaovana,
Fivelaran'ny asam-piangonana amin'ireo faritra sy zana-pitandremana,
Ezaka hanampiana ny mpiasa-piangonana.
Toy izao ny fandaharana (Manomboka amin'ny 11:30 ny fotoam-pivavahana ary mitohy amin'ny fihetsiketsehana samihafa) :
- Ny alahady 7, 14, sy 21 : varotra fampisehoana sy fialana hetaheta.
- Ny alahady 7 : fandefasana sarimihetsika "ILAY BOKY NODORANA NEFA TSY LEVONA"
- Ny alahady 14 : Rindran-kira ara-pilazantsara iarahana amin'ny mpanatalenta ao amin'ny fiangonana sy ny vahiny nasaina avy amin'ny fiangonana rahavavy.
- Ny alahady 21 jona izay andro lehibe dia hisy fiaraha-misakafo sy vokatra.
Efa misy ny fanentanana isaky ny alahady mandritra ny fotoam-pivavahana.
Azontsika atao dieny izao ny manolotra vokatra na fanomezana samihafa.
Dia fisaorana lehibe mialoha no atolotray anareo ny amin'ny fandraisanareo anjara amin'izany ho fampandrosoana ny Fiangonana, dia ny Tenan'i Kristy. Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra ary ho aminareo anie ny fiadanana.
Pastora Raharijaonarivelo Edmond
sy ny vaomieran'ny Voka-dehibe.
autres articles