Bienvenue sur le site de l'Eglise Luthérienne Malgache à Paris.
Rechercher


  vous êtes ici:  www.flmparis.org > tongasoa > vaovao ivelany
verset du jour


calendrier
* pensez à supprimer les fichiers ou le "cache" de votre navigateur pour actualiser le calendrier, merci
vaovao ivelany

Krismasin'ny Toby Pouru St Rémy

publié le 08/01/2010 - 22h26, par FLM / Webmaster



23 sy 24 janoary

Ry havana,
Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika.

Ny Pastora, Raiamandrenin'ny Toby ary ny Biraon'ny Komitin'ny Toby Pouru Saint-Rémy dia faly miarahaba anareo tratry ny Taom-baovao 2010 !

Fifaliana ho azy ireo koa ny manasa antsika amin'ny fankalazana ny "KRISMASIN'NY TOBY" izay hatao any an-toerana ny Asabotsy 23 janoary sy ny Alahady 24 janoary ho avy izao. 
Manomboka amin'ny 6 ora hariva ny fotoana ny asabotsy izay tanterahana ao amin'ny "Salle des fêtes de Pouru Saint Rémy".

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso an'i
Dr Randriambololona Jean
Tél 06 11 39 60 73 / 06 03 92 72 71 / 03 24 22 27 28

Dia maniry ny fahatongavanareo mba hiarahantsika rehetra mifaly amin'izany fotoan-dehibe izany ary mirary ny fiadanan'ny Tompo ho aminareo.
Amin'ny anaran'ny biraon'ny Komitin'ny Toby.

8 Chemin des Maulys
08140 Pouru Saint-Rémy - France
Tél 03 24 26 40 00
Fax 03 24 27 68 87



commentaires
Pas de commentaire pour le moment