FIAROVANA MAFY |
|
Écrit par Pasteur
|
JESOSY IRERY IHANY
Ry fiangonana malala Miarahaba sy mamangy amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika. Manoloana ny zava-misy sy mitranga ankehitriny, izay hiraha mahita fa mirongatra be ny valan'aretina "coronavirus". Ao ny tahotra sy ahiahy amin'ny maha olombelona. Tsy lavina izany. Raha ny Teny faminaniana araka ny Matio 24, Marka 13, Lioka 21 sy ny bokin'ny Apokalipsy, dia fahatanterahan'izany izao zava-mitranga sy miseho izao ho famantarana fa efa ho tonga ny farany. Manoloana izany, dia inona no tokony ho toe-tsaina sy toe-po ary fihetsika hananan'ny mino ? Amin'ny maha kristiana dia olona mivelona amin’ny finoana ny mino ary mandeha am-pahendrena, ka amin'izany dia mila mitandrina sy mijoro hatrany izy mba hahitana fa miavaka ny mino an'Andriamanitra sy tsy mino Azy. |
Lire la suite...
|
|
Fiaraha-mivavaka |
|
Écrit par Webmaster
|
"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro." Hebreo 10.25
Ry Kristiana havana,
Toy izao indray ny fandaminana ny Fiaraha-mivavaka isam-paritra ao amin'ny ZOOM :
-Alatsinainy 20:30 - Faritra 94
- Talata 20:00 - Faritra 78/95/28
- Alarobia 20:00 - Faritra 75/92
- Alakamisy 20:00 - Faritra 77/91
- Zoma 20:30 - Faritra 93
Ny rohy hidirana amin'ny fotoana isanandro : ZOOM FLM PARIS mot de passe : 2020
(https://zoom.us/j/92463488398?pwd=U0JnUml3d0VqckhTa2Z3UTZmMW9hUT09)
Raha maniry hanaraka ny vaovaon'ny fiangonana ianao dia alefaso amin'i Pastora Edmond Raharijaonarivelo 06 09 95 35 01 ny adiresy mail na ny numéro telephone.
Dia mifampitondra am-bavaka mandrakariva isika tompoko ! |
Vaovao fanorenana Toby Pouru |
|
Écrit par Kaleba
|
Faly miarahaba anareo indray tompoko, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Inty ny vaovao "Martsa 2020" mikasika ny Fanorenana ny Toby Pouru.
Naroso ary ny appel d'offre, tamin'ny faran'ny volana febroary teo. Voasoratra ao anatin'ny taratasy izay rehetra tsara ho fantatra mikasika izany.
Taratasy alefan'ny Biraon'ny Toby araka ny mahazatra antsika amin'ny teny malagasy sy amin'ny teny frantsay.
Dia misaotra anareo mialoha ary mirary fitahin'ny Tompo ho antsika rehetra manoloana ny asany.
Kaleba
|
|
Henoy ny antson'ny Tompo ! |
|
Écrit par Pasteur
|
"Ary hoy Izy taminy : Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy ; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra" Lioka :10:2
Ry havana malala,
Ny volana septambra, fanombohan'ny taom-piangonana, dia atokan'ny fiangonana ho volan'ny fiantsoana, hitaomana ny kristiana hirotsaka lalindalina kokoa amin'ny asa fanompoana ao anatin'ny sahan'ny fiangonana : - Katekomena, - Mpiomana ho mpiandry, - Diakona, - Sampana samihafa : Sekoly Alahady, Tanora, Vehivavy, Lehilahy.
Hisy fanentanana sy fampahafantarana hataon'ny tompon'andraikitry ny sampana isaky ny alahady.

|
|
|
|
Page 3 sur 3 |