Ry Kristiana havana,
Mamangy antsika eto amin'ny Fileovana Paris ny Pastora ANDRIANARIJAONA Germain, Tonia Nasionaly FiFiL ny Asabotsy 23 sy Alahady 24 jona izao.
Indro ny FANDAHARANA
Ny fotoana dia hatao eto amin'ny FLM Paris, toerana mahazatra 7 rue Marie Rose
- Ny Asabotsy manomboka amin'ny 14h30 : Fotoana ho an'ny mpiandry sy mpiomana, iarahan'ny Tonia Nasionaly sy ny Tonia FiFiL SP-FLME, Katekista Jean Randriambololona
Hisy fampianarana Soratra Masina sy dinidinika.
- Ny Alahady manomboka amin'ny 11h30 : Fotoam-pivavahana Litorjika sy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo sady fankalazana ny Jobilin'ny Pastora Andrianarijaona Germain mivady.
Ny teny faneva dia ao amin'ny 2 Kor. 12:9a : "Ampy ho anao ny fahasoavako..."
>>> HIRA JOBILY <<< |SOLFA|
Hisy fiaraha-misakafo aorian'ny fotoana.
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra ! |