top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Enseignements Edito Vavaka ho an'i Madagasikara
Vavaka ho an'i Madagasikara PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur   
Dimanche, 22 Mars 2020 10:52

Ry Fiangonana malala.

Miarahaba antsika mpianakavin'ny finoana amin'ny Anaran'i Jesosy Tompo.
Araka ny voalazan'ny  filoham-pirenena malagasy, dia efa tafiditra ao Madagasikara ny valan'aretina "coronavirus covid-19".
Manoloana izany, dia nandray fepetra araka izany izy sy ny governemanta entiny fa mikatona daholo ny toeram-pianarana rehetra, foanana ny fivoriana rehetra, mikatona ny fiangonana sy izay mety toerana mety hivorian'ny olona maro ( Tsena?...sns)
Ny fanontaniana pratika, ahoana no hahatanterahan'izany amin'izao toe-piainin'ny malagasy izao ? ny ho hanina androany, tadiavina androany. tsy an'asa ny marobe, ahoana ny hiveloman'ireo mahantra amin'izay mba kely azo hatao sakafo isan'andro. Hiaraha-mahalala koa ny tsy fahadiovana. tsy fahandriam-palemana, sns....
Maloto ny rano na ny ho sotroina aza, maloto ny rivotra iainana "pollution". 
Ahoana ny fomba hitsaboana ny olona, haharaka izany ve ny toerana hitsaboana ny malagasy ?. 
Ny aty aza tena sahirana nefa tany mandroso sy misy fitaovana. 
Tena tsy azo an-tsaina, ahoana no mety hiarovana ny vahoaka malagasy amin'ity valan'areti-mandoza ity ? Mampatahotra sady mampalahelo ny Malagasy, sady efa mahantra, no tafiditra ity areti-mandringana.
Mbola azo tohizana lava be sy tanisaina etoana ny zavatra maro, tsy hahitana valiny.
Toa tapi-dala-kaleha ny Malagasy. toy ny zanak'Israely manolona ny ranomasina mena.
Tompo ô ! tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay anay izao? ( Marka 4:38b)
Toy ireo mpianatry ny Tompo fahiny, handeha isika hamoha an'i Jesosy amin'ny alalan'ny vavaka hasandrantsika, toy ny vavaka nataon'i Daniela araka ny toko faha 9 manontolo. 
Io no tonom-bavaka, modely arahintsika fiangonana ( Daniela 9) :
"Ary nampanatrehako an'Andriamanitra Tompo ny tavako hitady sy hifofona ...."
Noho izany, dia samy manokana fotoana avy isika mpianakavin'ny finoana isan-tokatrano, miombom-bavaka isan'andro ary aoka ho amin'ny fisaorana sy fifonana no entintsika mangataka izany eo anatrehan'Andriamanitra Ray amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; vavaka ao amin'ny Fanahy sy fahamarinana.
Ho fanampin'izany dia tsara koa vakiantsika hatrany ny Teny araka ny 2 Tant.7:14/
Raha sitrak'isika dia manolotra ireto ira ireto aho hirantsika mandritra ny fotoana:
527 - 630 - 548 - 502 - 500 - 408 ...sns
Dia mirary fahasalama feno antsika mpianakavin'ny finoana. Jesosy no manda fiarovana mafy ho antsika rehetra.
Ho amianreo anie ny fiadanana. Amena !
Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond

 

Mise à jour le Dimanche, 22 Mars 2020 13:01
 

Calendrier

Le mois dernier Juillet 2020 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 27 1 2 3 4 5
week 28 6 7 8 9 10 11 12
week 29 13 14 15 16 17 18 19
week 30 20 21 22 23 24 25 26
week 31 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .