top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Nouvelles Actualites FIFIL Famangian'ny FIFIL Fileovana
Famangian'ny FIFIL Fileovana PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Lalao RAKOTOMAHANINA   
Lundi, 12 Octobre 2020 08:31

<<< Mbola mitohy hatramin'ny Alarobia 14/10 maraina ny fisoratana anarana, asaina isika kristiana rehetra fa tsy ny mpiandry ihany >>>

JESOSY IRERY IHANY

Ry hava-malala ao amin'ny Tompo,
Ampitomboina ho anareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika.
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Noho ny valan'aretina Covid 19 misy ankehitriny, dia tsy afaka natao tany amin'ny Fitandremana Limoges araky ny fikasana, ny Tafika Masina nokasain'i FIFIL FILEOVANA PARIS , fa hatao eto amin'ny Fitandremana Paris izany, satria teto Paris no nahitana toerana malalaka.
Ka amin'ny faha 17 sy faha 18 Oktobra izao no hanaovana azy amin'ireto toerana ireto, araky ny PROGRAMA mipaingotra eto :


Ny Asabotsy 17/10/20 :
Communauté du Chemin neuf,
34 Place de Liederkerke Beaufort.
91250 TIGERY (de 10h30 à 19h00)


Ny Alahady 18/10/20:
Ao @ fiangonana Marie Rose (Fidirana voalohany  11:30, Fidirana faharoa : de 15:00)


Noho izany,
A) DIA MANENTANA anao mba ho tonga hanatrilka ny fotoana fa hisy sakafom-panahy matsiro hamelona anao hozaraina aminao ao, araky ny Teny hoe: "He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna!" (Isaia 55.1).


B) FANDRAISANA ANJARA
Ianareo vahiny rehetra avy any ivelany, dia ny fahatongavanareo ihany no angantahina aminareo, fa ny FIFIL FILEOVANA sy ny FIFIL FITANDREMANA PARIS no mandamina ny fandraisana anareo (Sakafo sy fatoriana).
Isika eto @ FIFIL PARIS kosa dia antsoina :
- Handray vahiny @ fahatoriana
- Handray anjara 6€ par personne @ sakafo atoandro ny sabotsy 17,( na ankizy na lehibe io 6€ par personne io)


D) FITAOMANA
Isika rehetra dia taomina
1) HISORATRA ANARANA fara fahatarany NY TALATA 13/10/2020
¶ Amiko : Tel 0664836435
¶ Na @ Filoha FIFIL amin'ny fiangonana misy anareo, dia izy no mampita izany amiko.
Tena ilaina io satria ny Alarobia 14 no homena ny tompotrano ny isatsika.
2) Samy hitondra am-bavaka ny fotoana ary hitondra vokatra


E) FISORATANA ANARANA AMIN'NY ALAHADY :
Ianareo vahiny ivelan'ny Paris dia angatahina hilaza amiko raha hiangona ny Alahady 18/10/20 satria hangatahiko @ Rtoa Soa RAKOTOMAVO zay miandraikitra ny fisoratana anarana ao am-piangonana mba ho "prioritaire" hiditra @ fidirana voalohany ianareo.
Dia manantena ny hihaona aminao tompoko ary manonona ho anao sy ny ankohonanao ny fiadanan'Ilay efa tia sy mbola hitia anao mandrakizay, dia Jesosy Kristy Izay raha ny marina, dia Izy mihitsy no miantso anao mba hampahereziny manoloana zao "crise sanitaire" sy zava-tsarotra diavin'ny rehetra izao.

Ny Komity FIFIL FILEOVANA tarihin'i Rtoa Lalao RAKOTOMAHANINA.

Mise à jour le Lundi, 12 Octobre 2020 10:38
 

Calendrier

Le mois dernier Octobre 2020 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 40 1 2 3 4
week 41 5 6 7 8 9 10 11
week 42 12 13 14 15 16 17 18
week 43 19 20 21 22 23 24 25
week 44 26 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .