Misokatra indray ny Fiangonana ! Imprimer
Écrit par Pasteur   
Samedi, 30 Mai 2020 19:48

Hoy Jesosy: "indro Aho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao"

Matio 28:20b

Ry havana malala ao amin'ny Tompo, 

Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesosy, Tompo sy Lohan'ny Fiangonana.

Misaotra an'Andriamanitra isika fa MISOKATRA INDRAY NY FIANGONANA manomboka ny alahady 31 mai izao.
Misy fidirana in-droa isaky ny alahady. Ary Fandraisana ny Fanasa'ny Tompo hatrany aloha no hatao.

1. 12h à 14h
2. 15h à 17h

Olona 65 no afaka tafiditra, ao anatin'izany ny Pastora sy ny mpandraharaha.
Ho fandaminana, dia nisy tableau nalefan'i Solofo sy Soa amintsika hahafahana misoratra anarana, ka rehefa feno ny isa ny fidirana voalohany, dia listra manaraka indray no miditra faharoa.

Izay mety tsy tafiditra amin'ireo fidirana roa ireo, dia ireo indray no "prioritaire" ny alahady manaraka.
Misy fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina. Manao masque, mitondra veram-pandraisana izay manana.
Ireo olona izay mahatsiaro fa tsy salama, raha azo atao aloha tsy hisoratra anarana (fa raha maniry izy ny handray ny Fanasan'ny Tompo an-trano, dia afaka miantso ny Pastora)

Ezahina halefa mivantana amin'ny Zoom sy Facebook ny fotoam-pivavahana fidirana faharoa.

Mikasika ny faritra sy ny sampana rehetra, dia mitohy hatrany ny fiombonam-bavaka amin'ny Zoom mandritra ny herinandro.

Koa misaotra antsika rehetra mivavaka ary mbola hitohy hivavaka hatrany mba hisokatra feno ny fiangonana.

Mirary soa, ho tahian'i Jesosy.
Ho aminareo ny fiadanana.

Ny Pastora sy ny komity FLM Paris
Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO

mail : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Mise à jour le Samedi, 26 Septembre 2020 07:44