VOKA-DEHIBE 2020 Imprimer
Écrit par Comité   
Dimanche, 08 Novembre 2020 16:43

«Fa nitondran’i Abela kosa ny voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny» Gen. 4.4

Miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana eto amin'ny FLM Paris.

Ny VOKA-DEHIBE dia fotoana iray ao anatin’ny taona hanantanterahana ny fanatitra ataon’ny mino  mba ho fisaorana sy fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny soa raisina avy Aminy.

Koa izay hatolotry ny mino amin’izany, dia entina hampandrosoana ny Fiangonana, izay Tenan’i Kristy. 

 

- Ity ny lien CAGNOTTE izay hahafahantsika mandrotsaka ny vokatra izay hatolotsika :

   https://www.leetchi.com/c/voka-dehibe-2020-flm-paris

 

- Azo atao koa ny manao VIREMENT :

EGLISE LUTHERIENNE MALGACHE PARIS:

N°IBAN : FR 19 2004 1000 0120 0744 0F02 055.

LA BANQUE POSTALE-CENTRE FINANCIER

75900 PARIS CEDEX 15

 

- Na CHEQUE ( mbola ho lazaina ny adiresy handefasana azy)

- Mety koa raha angoninao ao anaty valopy ny fanomezana harotsaka rehefa misokatra ny Fiangonana.

 

Maneho fisaorana sy fankatelemana ho antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny fanomezana sarobidy izay hatolotrareo.

Andriamanitra, Tompon’ny harena anie hanondrotra avo zato heny izay homenareo.

 

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena !

Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond sy ny komity FLMParis.

Mise à jour le Mardi, 10 Novembre 2020 21:15