Firarian-tsoa 2023 Imprimer
Écrit par Pasteur   
Dimanche, 22 Janvier 2023 20:01

« Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” (Gal. 5: 25).

 

Ry mpianakavin’ny finoana malala !
Hampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy an’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika. Amena
Ary amin’ny alalan’ny Teny ( Gal. 5:25) etsy ambony no entinay mivady ho fiarahabana anareo tratry izao taona vaovao 2023 izao.

Raha misy firariantsoa hatolotra anareo mpianakavin’ny finoana, dia ny mba handehananareo araka ny fahafenoan’ny FANAHY MASINA, tahaka ny zanaky mazava , hiray fo sy saina ao anatin’ny fandeferana sy fifankatiavana . Io no harena tsara indrindra sy sarobidy ka hazony mafy tsara.
Koa dia aoka ho taratra eo amin’ny mpianakavy ny finoana eto amintsika FLM Paris sahady ny fiainan-danitra, ka ho tanteraka tokoa ny vavaka nampianaran’i Jesosy, Tompo sy Lohan’ny Fiangonana manao hoe «… ety an-tany ho tahaka ny any an-danitra »

 

Mirary ny fitahiana feno ho antsika mpianakavin’ny finoana ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

Voninahitra ho an’ Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Ary fiadanana kosa ho antsika mpianakavin’ny finoana rehetra !

Amena !
Pastora RAHARIJAONARIVELO Edmond mivady

 

Mise à jour le Mardi, 02 Janvier 2024 15:14