TRANOM-BITSIKA Imprimer
Écrit par Webmaster   
Samedi, 16 Juin 2018 08:57

MPANAZAVA SY TILY ETO MADAGASIKARA

FIKAMBANANA SKOTO LOTERANA FLM EOROPA

« Asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara » Titosy 7:2b

« Mandehana... diniho ny fanaon'ny vitsika, ka mba hendre » Ohabolana 6:6

Hoampitomboina mandrakariva amintsika rehetra anie ny fahasoavana ombam-piadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.

Antsoina sy asaina isika nandalo fikambanana Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM) rehetra, na amperinasa na tranainy mba hihaona voalohany eto amin'ny sehatra Fikambanana Skoto anivon'ny FLM Synodamparitany Eoropa ny Sabotsy 16 jona 2018 ho avy izao.

Hiara-hiombom-bavaka isika amin'io fotoana io sady ifankahafantatra sy hilalao TRANOM-BITSIKA.

Jereo eto ny FANAZAVANA

Manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ny fihaonana ao amin'ny PARC DES SCEAUX

 8 Avenue Claude Perrault, 92330 Sceaux

Ny fotoana dia hotarihin'ny Komity Mpanorina FSFLME. Manantena ny fahatongavantsika rehetra ary r'ise. Aoka samy hiomana isika amin'izany fotoana izany. Manantena ny hihaona amintsika rehetra. Manao veloma amin'ny anaran'i Jesosy.

Amin'ny anaran'ny Komity Mpanorina FSFLME

AKOMA Marisika

Mise à jour le Mardi, 26 Juin 2018 19:06