top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


feed-image Feed Entries
Bienvenue !
L'Ecriture, la Grâce, la Foi
Alahadin'ny Pastora Envoyer
Écrit par Webmaster   

Tompoko,

Miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesosy,

« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » Asan'ny Apostoly 20:35.

Izany no teny faneva amin'ny Alahadin'ny Pastora izay hotanterahantsika eto amin'ny fiangonantsika.

Ny Alahadin'ny Pastora dia fotoana iray ao anatin’ny taona hahatsiarovantsika ny Ray aman-dRenitsika ara-panahy izay nofidian'Andriamanitra hitory sy hizara ny tenin'Andriamanitra ho antsika ka tokony ho tsarovatsika araka ny TeniNY ao amin'ny Hebreo13:7.

Araka ny fanapahan-kevitra noraisina teo amin'ny fivorian'ny Komity sy taorian'ny filazan-draharaha ny Alahady 20 Desambra 2020 lasa teo dia indro efa voasokatra ny CAGNOTTE LEETCHI izay natokantsika ho an'ny Alahadin'ny Pastora Mpitondra Fitandremana Paris RAHARIJAONARIVELO Edmond mivady;

Cagnotte izay misokatra manomboka izao ka hatramin'ny Alahady 24 Janoary 2020, hahafahantsika manolotra izay foitsika.

Ity ny Lien: https://www.leetchi.com/c/dimanche-du-pasteur

Koa maneho fisaorana sahady ho amin'izay mety ho fahafoizanareo amin'ny fifaliana sy fitiavana tompoko.

Dia aoka samy hahatsiaro am-bavaka izany isika rehetra.

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amen!

Ny Pastora sy ny Komity FLMParis.

Tompoko,
Miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesosy,
« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » Asan'ny Apostoly20:35.
Izany no teny faneva amin'ny Alahadin'ny Pastora izay hotanterahantsika eto amin'ny fiangonantsika.
Ny Alahadin'ny Pastora dia fotoana iray ao anatin’ny taona hahatsiarovantsika ny Ray aman-dRenitsika ara-panahy izay nofidian'Andriamanitra hitory sy hizara ny tenin'Andriamanitra ho antsika ka tokony ho tsarovatsika araka ny TeniNY ao amin'ny Hebreo13:7.
Araka ny fanapahan-kevitra noraisina teo amin'ny fivorian'ny Komity sy taorian'ny filazan-draharaha ny Alahady20Desambra2020 lasa teo dia indro efa voasokatra ny CAGNOTTE LEETCHI izay natokantsika ho an'ny Alahadin'ny Pastora Mpitondra Fitandremana Paris RAHARIJAONARIVELO Edmond mivady;
Cagnotte izay misokatra manomboka izao ka hatramin'ny Alahady24Janoary2020, hahafahantsika manolotra izay foitsika.
Ity ny Lien: https://www.leetchi.com/c/dimanche-du-pasteur
Koa maneho fisaorana sahady ho amin'izay mety ho fahafoizanareo amin'ny fifaliana sy fitiavana tompoko.
Dia aoka samy hahatsiaro am-bavaka izany isika rehetra.
Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amen!
Ny Pastora sy ny Komity FLMParis.
 
FIAROVANA MAFY Envoyer
Écrit par Pasteur   

JESOSY IRERY IHANY

Ry fiangonana malala
Miarahaba sy mamangy amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika.
Manoloana ny zava-misy sy mitranga ankehitriny, izay hiraha mahita fa mirongatra be ny valan'aretina "coronavirus".
Ao ny tahotra sy ahiahy amin'ny maha olombelona. Tsy lavina izany.
Raha ny Teny faminaniana araka ny Matio 24, Marka 13, Lioka 21 sy ny bokin'ny Apokalipsy, dia fahatanterahan'izany izao zava-mitranga sy miseho izao ho famantarana fa efa ho tonga ny farany.
Manoloana izany, dia inona no tokony ho toe-tsaina sy toe-po ary fihetsika hananan'ny mino ?
Amin'ny maha kristiana dia olona mivelona amin’ny finoana ny mino ary mandeha am-pahendrena, ka amin'izany dia mila mitandrina sy mijoro hatrany izy mba hahitana fa miavaka ny mino an'Andriamanitra sy tsy mino Azy.

Lire la suite...
 
Henoy ny antson'ny Tompo ! Envoyer
Écrit par Pasteur   

"Ary hoy Izy taminy : Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy ; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra" Lioka :10:2

Ry havana malala, 

Ny volana septambra, fanombohan'ny taom-piangonana, dia atokan'ny fiangonana ho volan'ny fiantsoana, hitaomana ny kristiana hirotsaka lalindalina kokoa amin'ny asa fanompoana ao anatin'ny sahan'ny fiangonana :
- Katekomena,
- Mpiomana ho mpiandry,
- Diakona,
- Sampana samihafa : Sekoly Alahady, Tanora, Vehivavy, Lehilahy.

Hisy fanentanana sy fampahafantarana hataon'ny tompon'andraikitry ny sampana isaky ny alahady. 

 
Fiaraha-mivavaka Envoyer
Écrit par Webmaster   

"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro." Hebreo 10.25

Ry Kristiana havana,

Toy izao indray ny fandaminana ny Fiaraha-mivavaka isam-paritra ao amin'ny ZOOM :

-Alatsinainy 20:30 - Faritra 94

- Talata 20:00 - Faritra 78/95/28

- Alarobia 20:00 - Faritra 75/92

- Alakamisy 20:00 - Faritra 77/91

- Zoma 20:30 - Faritra 93

Ny rohy hidirana amin'ny fotoana isanandro : ZOOM FLM PARIS mot de passe : 2020

(https://zoom.us/j/92463488398?pwd=U0JnUml3d0VqckhTa2Z3UTZmMW9hUT09)

Raha maniry hanaraka ny vaovaon'ny fiangonana ianao dia alefaso amin'i Pastora Edmond Raharijaonarivelo 06 09 95 35 01 ny adiresy mail na ny numéro telephone.

Dia mifampitondra am-bavaka mandrakariva isika tompoko !

 
Vaovao fanorenana Toby Pouru Envoyer
Écrit par Kaleba   

Faly miarahaba anareo indray tompoko, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika. 

Inty ny vaovao "Martsa 2020" mikasika ny Fanorenana ny Toby Pouru. 
Naroso ary ny appel d'offre, tamin'ny faran'ny volana febroary teo. Voasoratra ao anatin'ny taratasy izay rehetra tsara ho fantatra mikasika izany.
Taratasy alefan'ny Biraon'ny Toby araka ny mahazatra antsika  amin'ny teny malagasy sy amin'ny teny frantsay.

Pejy 1  Pejy 2   |   Page 1  Page 2
Dia misaotra anareo mialoha ary mirary fitahin'ny Tompo ho antsika rehetra manoloana ny asany.
Kaleba

 

 
« DébutPrécédent12SuivantFin »

Page 2 sur 2

Calendrier

Le mois dernier Mai 2021 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 17 1 2
week 18 3 4 5 6 7 8 9
week 19 10 11 12 13 14 15 16
week 20 17 18 19 20 21 22 23
week 21 24 25 26 27 28 29 30
week 22 31

Connexion




bottom
top

Latest News

Popular


bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .