top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Enseignements Edito NOELY FAMPIHAVANANA
NOELY FAMPIHAVANANA PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur   
Samedi, 23 Décembre 2017 10:17

TORITENY    >>> C'est quoi Noel ? <<<   

>>> Lioka 2 : 1-14 <<<

"Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany." (Lioka 2.14)

Vanim-potoana hafa indrindra ny andro Noely na ny Krismasy, ary tena miavaka amin’ny fety rehetra izany. Azo lazaina fa tsy saina avy amin’ny olombelona ihany no nahatonga izao fankalazana ny Noely, fa misy fihevitr’Andriamanitra ihany koa, izay te hampatsiahy ny Fitiavany ka nanolorany antsika ilay fanomezan-dehibe, dia ny Zanany Lahy Tokana hamonjy izao tontolo izao, araka ny teny hoe : « Fa toy izao ny nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahy tokana, mba tsy ho very, izay rehetra mino Azy, fa hanana fainana mandrakizay ». (Jao 3.16)

Ny fahatongavan’i Jesosy Kristy Tompo, teto amin’izao tontolo izao, dia nampiova ary mampiova ny tantaran'ny zanak’olombelona. Raha mitoetra ao anatin’ny fahaverezana ny olona noho ny fahotany, dia nitady lalana Andriamanitra hanafaka azy tao amin’izany aizin’ny fahafatesena izany, ka ny Zanany no nalefany hamonjy ny olony, ka hoy indrindra ilay anjelin’ny Tompo tamin’izay « Aza matahotra, fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio..., dia Kristy Tompo». (Liok 2.11)

Nidina sy niditra teto amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy, Ilay Teny tonga nofo tamin’ny alalan’i Maria Virjina. « Imanoela », izay midika hoe « Andriamanitra amintsika », ka amin’izany indrindra no hanehoan’Andriamanitra ny fara-tampony amin’ny fitiavany, fa te hamerina ny fihavanany amin’ny olombelona Andriamanitra, «ka Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota mba hamonjy ny olona » (II Kor.5.21)

Noely Fampihavanana, satria Andriamanitra mihintsy no te-hihavana amintsika, ny tany amin’ny Avo indrindra no tonga tety ambon’ny tany, hitondra fahafahany sy fifaliana ary fiadanana ho an’izay mino Azy. Izany no tena mampiavaka izao vanim-potoana ny Noely izao, efa ho roa arivo taona izao no nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, kanefa dia mbola manakoako manerana izao tontolo izao mandraka ankehitriny ny fankalazana ny fahatongavany. Ary tanteraka amin’izany, ny tenin’i Jesosy manao hoe :« Ary hotorina manerana izao tontolo izao ity Filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia amin’izay vao ho tonga ny farany ». (Mat 24.14)

Ry mpianakavin’ny finoana ao amin’ny Tompo, aoka ho tsy hadinontsika fa ao anatin’izao fankalazana ny noely izao isika, dia miomana indrindra koa ny amin’ny fiverenan’i Jesosy indray. Ny fifaliantsika, dia ny fananantsika an’i Jesosy, Ilay namonjy antsika ary mitoetra ao am-pontsika, toy ilay tao tranon’omby mahantra fahiny, kanefa tao ny maminy hitoerana, tahaka ny fontsika, koa raha ho avy indray Izy, dia handray Azy isika, dia hahita ny famirapiratan’ny voninahiny, dia ho olony ankasihatrany ho ao amin’ny fanjakany mandrakizay.

Andro ny fiomanana izao, efa akaiky ny fihavian’i Jesosy, antomotra ny andro, ka dia samy hiambina toy ny fiandrin’ny ireo virjina dimy hendry isika. Tano mafy izay anananao ary, mba tsy hisy haka ilay satro-boninahitra izay homen’i Jesosy (Apok 3.11), sy ho an’izay tia Azy (Jak. 1.21).

Voninahitra any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho an’ny olona ankasitrahany . Amena ! Avia Jesosy Tompo.

Pasitora Edmond RAHARIJAONARIVELO

 

Mise à jour le Lundi, 15 Janvier 2018 17:36
 

Calendrier

Le mois dernier Avril 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 14 1 2 3 4 5 6 7
week 15 8 9 10 11 12 13 14
week 16 15 16 17 18 19 20 21
week 17 22 23 24 25 26 27 28
week 18 29 30

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .