top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


feed-image Feed Entries
Bienvenue !
L'Ecriture, la Grâce, la Foi
FEPETRA MANOKANA Envoyer
Écrit par Webmaster   

Jesosy Irery ihany

« Indro Aho homba anareo mandrakariva ambara-pahatonga  ny fahataperan’izo tontolo izao. » (Matio 28.20)

Mba ho fitandrovana ny fahasalamana, manoloana ny fihanaky ny valan’aretina ankehitriny, dia nanapa-kevitra ny Komity fa :

Hikatona ny fiangonana manodidina ny Krismasy sy nyTaom-baovao (24-25-26 desambra sy 02 janoary).

Jereo eto ny FANAZAVANA amin'ny antsipiriany.

Koa dia mampahery sy mitaona antsika hiombom-bavaka manoloana izao fotoana sarotra izao.

Ny Pastora Edmond Raharijaonarivelo

sy ny Komity FLM Paris

 
ADVENTO Envoyer
Écrit par Pasteur   

 

Andro fiandrasana, fiomanana amin’ny fiavian’ny mpanjaka lehibe na olona manam-boninahitra  no hevitrin’ny teny hoe “Advento”. Ny Alahady efatra mialoha ny Krismasy no marihin’ny Fiangonana ho litorjia ny Advento izay iandrandrana fatratra ny fahatongavan’ny Krismasy, fahatsiarovana ny nahatongavan’Ilay Mpanjaka lehibe, dia Jesosy. 

Zava-dehibe tokony tsy hohadinontsika anefa, fa ny advento dia tena mampatsiahy antsika kristiana koa fa Jesosy dia mbola hiverina indray ary tokony hiomana mandrakariva isika. Hoy Jesosy:”…raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?”(Lioka 18:8)

Noho izany dia tokony hiomana tokoa isika amin’ny fihavian’i Jesosy. Ho vonona mandrakariva, tahaka ireo virjina dimy hendry,  niambina ka naharitra mandra-pihavian’ny mpampakatra.
Eo anatrehan’izany dia tokony olona manao ahoana isika ? sao mandeha araka ny fanaon’izao tontolo izao, na variana amin’ity tany ity sy ny filany.
Koa ankehitriny dia mampiomana anao Jesosy amin’ny izao Advento izao, mba hiambenanao amin’ny fihaviany indray. Hoy Jesosy: “Miambena ka ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona”(Lioka 21:36).
 
Zoom FLM Paris Envoyer
Écrit par Webmaster   

"Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra" Ohabolana 16:20

Nosokafana ny chaine Youtube "ZOOM FLM PARIS", mba hahafahantsika miverina mijery sy mihaino ireo Toriteny sy Fampianarana notsongaina nandritra ny fotoana niarahana tao amin'ny zoom.

Ny ekipa teknika. 

  

 
La Bonne Nouvelle :
Écrit par Cafebible   

 
Vaovao fanorenana Toby, Jolay 2021 Envoyer
Écrit par Komity Fanorenana   

Faly miarahaba anareo indray tompoko, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Inty indray ary ny vaovao "Jolay 2021" mikasika ny Fanorenana ny Toby Pouru.

Miroso amin’ny dingana manaraka isika amin’ity asa fanorenana ity. Voasoratra ao anatin'ny taratasy ny antsipirihany amin'izany.

Taratasy alefan'ny Biraon'ny Toby araka ny mahazatra antsika amin'ny 

- teny malagasy

- teny frantsay

Dia misaotra anareo mialoha ary mirary fitahin'ny Tompo ho antsika rehetra manoloana ny asany.

Kaleba Andrianasolo

Mpitan-tsoratra

 

 
« DébutPrécédent123SuivantFin »

Page 1 sur 3

Calendrier

Le mois dernier Janvier 2022 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 52 1 2
week 1 3 4 5 6 7 8 9
week 2 10 11 12 13 14 15 16
week 3 17 18 19 20 21 22 23
week 4 24 25 26 27 28 29 30
week 5 31

Connexion




bottom
top

Latest News

Popular


bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .