top
logo

suivez_fb.jpg

Médias


NY PASKA PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur Edmond R.   
Jeudi, 14 Mars 2013 20:04

 

Ny teny hoe : Paska dia avy amin'ny Hebreo “Pessa’h” midika hoe mandalo, mandingana na mitsimbina (Eks 12:13).  Araka izany, ny Paska dia fahatongavan’'ilay anjely mpandringana ny tanana ka tsy nikasika ireo trano izay nanisy ran’i zanak'ondry nafafy tamin'ny tolam-baravarana, fa nadalovany fotsiny izany. (Eks 12:29-36).

 Nankalaza ny Paska voalohany ny zanak’Israely tamin’ny fotoana  nanafahan’i Jehovah azy tamin’ny fanandevozan’ ny Egyptiana  nandritra ny 400 taona. Niantso sy nifidy an’i Mosesy  Jehovah ka nirahany hanafaka ny zanak’Israely.(Eks 3-4) 

Tsy nanaiky ny teny mampitondran’i Jehovah an’i Mosesy anefa  Farao mpanjakan’ny Egyptiana, ka nanehoan'Andriamanitra ny heriny dia nisy loza folo nasehony an'i Farao sy ny Egyptiana.(Eks 7-11) Ary dia nanamafy fo hatrany Farao, fa tamin'ny loza faha-folo sady farany, dia naniraka anjely mpandringana Andriamanitra mba hamely ny lahimatoa sy voalohan-teraky ny biby rehetra (Eks 12 : 12).   Ho fiarovana ny Zanak'Israely sy ny biby fiompiny dia nanome toromarika Andriamanitra hanisy ran’i zanak’ondry tsy misy kilema eo amin'ny tolanam-baravarana isan-tokantrano. Ka rehefa nandalo ny tanana ilay anjely, ka mahita io marika io, dia handalovany fotsiny izany  trano (Eks 12 :13). 
Ny Paska Jiosy
Anisan’ny vanim-potoana lehibe eo amin’ny tantaran’ny Jiosy ny paska toy ny andro fahafahana, andro firavoravona (Jao 6:4 ), satria  io fotoana nanafahan’I Jehovah azy tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana dia notsarovan'ny Zanak'Israely isan-taona izany.
Niangona isan-tokantrano ny Fianakaviana tamin' izany ary namono zanak'ondry araka ny nandidian' Andriamanitra azy ireo. Misy fomba hafa koa nampiarahina tamin'izany,dia fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ananana mangidy.(Eks 12:8) 

 Tamin'ny andron'i Jesosy Kristy dia nankalaza hatrany izany Paska izany ny Jiosy (Lio 2:41-50). Tsy tapaka ny namonjy Paska Jesosy (Jao 2:13). Fotoana fankalazana ny Paska no niaraka nisakafo Jesosy sy ny mpianany, talohan'ny nanombohana azy teo amin'ny hazo fijaliana (Mk 14:12, 14). 

Amin'izao andro izao, dia mbola mankalaza ny Paska ny Antokom-pivavahana Jodaisma, hatao hoe fetin'ny “Seder”, satria efa rava ny Tempolin'ny Jerosalem dia isan-tokantrano no hanaovany izany. Miaraka misakafo ny mpianakavy, mihinana ondry atsatsika, ary vakiana ny tantaran'ny nanafahan'I Jehovah ny Jiosy ho tsarovan’ny taranaka faramandimby (Eks 12:14, 17) (2 Mpa 23:21-23;             2Tan 30:1-20)
Ny Paska Kristiana
Ny Paska kristiana dia tandindon'ny Paska Jiosy, izay miorina amin’ny foto-kevitra ny fahafahana sy fanadiovana. Niala tamin’ny fanandevozana ho amin’ny fahafahana, niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana tamin’ ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty ho fanavotana (Kol 2:16-17,   Heb 10:1).  Ny zanak’ondry lahy tsy misy kilema dia tandinon’I Jesosy, Lahy tokan’Andriamanitra, Ilay masin’Andriamanitra. Ary ny ran’ilay zanak’ondry, dia ny ran’I Jesosy nahidiny ho fanavotana ho fanadiovana ny olona rehetra, ka izay mino Azy dia voavonjy. (Jao 8:46, Heb 4:15).  

 

Ny vatan’ilay zanak’ondry izay novonoina, ka nohanina, dia tandidon’ny tenan’ Jesosy, izay nomeny natao sorona ho an’Andriamanitra. Ary ireo no tandindon’ny fandraisana ny mofo sy ny divay eo amin’ny fanasan'ny Tompo ho fahatsiarovana ny famonjena vitany ho antsika (1Kor 10:16-17; 11:24-26).                                                                                                    
Ny mofo tsy misy masirasira sy tsy misy leviora no mariky ny fahadiovana, fankatoavana an'Andriamanitra: ny Kristiana dia tokony hiala amin'ny fahotana, miala amin'ny fiainan'izao tontolo izao
Ny datin'ny Paska ankehitriny
Tamin'ny taona 325, tao aorian'ny Concile de Nicée, no nankalazana ny Paska kristiana voalohany ho fahatsiarovana ny nitsanganan'I Jesosy Kristy tamin'ny maty. Ny Paska Jiosy kosa dia ankalazaina ny andro faha-14 ny volana “Nisan”. Tsy mifanindry ireo daty roa ireo saingy ny fomba fanisana andro no itovizany. Ny Alahadin'ny Paska kristiana dia ny Alahady voalohany manaraka ny fenomanana ao aorian'ny 21 Martsa (l'équinoxe de printemps). Izany hoe tsy maintsy eo anelanelan'ny 22 Martsa sy 25 Aprily no misy ny Paska. Ny Pentekosta (50 andro ao aorian'ny Paska) sy  Andro fiakarana (10 andro alohan'ny Pentekosta) dia tena miankina amin’ny fetin’ny Paska.
Fehiny
Azo lazaina fa fototra iorenan’ny finoana Kristiana ny andro Paska. Hoy indrindra ny apostoly Paoly:”
« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. » (1 Korintiana 15: 13-18)
Noho izany, dia vanin’andro lehibe eo amin’ny fiangonana Kristiana ny andro Paska, ho fahatsiarovana ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, dia mitory ny nanoloran’i Jesosy ny Tenany sy nandatsan’i Jesosy ny Rany ho fanafahana sy fanadiovana’ ny olona rehetra amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny fanandevozan’i Satana. Koa zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mino ny fandraisana ny tena aman-dràn’i Jesosy izay mino, hananany firaisana Aminy ka hitehirizana azy ho amin’ny fiainana mandrakizay (Jn 15).
Tsy azo hatao hatsirambina ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, handraisan’ny mino feno an’i Kristy ho Tompo sy Mpanavotra amin’ny alalan’ny Tenany sy Rany. Tena fanomezana masina loatra  izany, ary sarobidy tamin’Andriamanitra ny nanolorany ny Zanany lahy tokana, ary koa nanoloran’ i Jesosy ny Tenany sy ny Rany ho avotra ho an’ny olona rehetra ary ho fahafahana, fanadiovana ary famonjena. Koa ho an’izay mino Azy, dia hanana fiainana mandrakizay (Jao 3:16)
Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina.
Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO
FLM PARIS

 

Mise à jour le Samedi, 30 Décembre 2017 22:24
 

Calendrier

Le mois dernier Décembre 2019 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 48 1
week 49 2 3 4 5 6 7 8
week 50 9 10 11 12 13 14 15
week 51 16 17 18 19 20 21 22
week 52 23 24 25 26 27 28 29
week 1 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .