Ry Havana malala ao amin'ny Tompo, mpianakavin'ny finoana eto amin'ny FLM .
Miarahaba anareo amin'ny anaran'i Jesosy Tompo sy Lohan'ny Fiangonana.
Ny teny faneva raisintsika amin’ity taona ity ho amin' ny Voka-Dehibe izay manomboka amin'ity volana Novambra ity fa faranana ny Alahady 4 Desambra 2016, dia ny Teny nalaina avy ao amin’ny filazantsaran’i Lioka,6 and 38b: "Fa izay fatra ataonareo, no fatra amarana anareo kosa" izay manentana indrindra ny mpino hanolotra ny tenany sy ny fananany ho fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra.
Mariky ny fanoloran-tena tokoa mantsy ny zavatra foinao ho an’Andriamanitra ary amin’izany no ilazany hoe « izay fatra ataonao » na « izay fatra amaranao » no entin’Andriamanitra koa ho fatra ahazonao valiny avy Aminy. Raha kely ny fatra hataonao, dia kely toy izany ny fatra hataon’Andriamanitra aminao. Izany hoe araka izay ahafoizanao be ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra, dia araka izany koa, dia ho be ny fitahiana harotsakan’Andriamanitra ho anao. Mazava avy hatrany fa raha kely ny fatra hataonao, dia ho kely ny fatra homena anao.
Tsy dia ny fanananao loatra no ilain’Andriamanitra aminao, fa ny toe-ponao izay mankasitra Azy noho ny fitahiany sy ny fahasoavany nomeny anao, koa moa ve mihirim-belona amin’izay mety heverinao harena ianao, ary dia fihininao, tsy foinao, ka dia lasa sampy aminao izany, izay ilazan’i Jesosy hoe « tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo » (Liok.16.13)
Koa raha resy lahatra ary ianao fa harena nomen’Andriamanitra anao ireo fananana na vola na fitaovana na talenta maro, dia aoka tsy hisy tahotra na fisalasalana hanolotra izany ho fitaovana ho fampandrosoana ny Fiangonana ianao.
Ny Fiangonana no Tenan’ i Kristy hita maso, ka izay zavatra rehetra hataonao ho an’ny Fiangonana dia hataonao ho an’ Ilay Tompony sy Lohany, dia Jesosy Kristy. Ary amin’izany dia mampitafy an’i Jesosy ianao, manome voninahitra Azy. Koa ho sehitr’izay foinao sy natolotrao ho Azy, dia Izy Tompon’ny harena no hanondrotra izany aminao, hoy indrindra Izy "izay mahafoy trano… na tany…noho ny Anarako, dia handray zato heny..." (Mat.19.29)
Koa izay foinao ka hatolotrao ho fampandrosoana ny Fiangonana FLM Paris, dia ho mani-pofona sy hanitra ankasitrahana eo imason’Andriamanitra tokoa izany, toy ny fanati-piderana sy fisaorana (Heb 13.16).
Tsarovy fa fotoan-dehibe iray ao anatin’izao taona 2016-2017 izao ity Voka-Dehibe ity, satria izay vola azo amin’izany no enti-manana hanefana ireo adidy miandry antsika eto amin’ny FLM Paris.
Manolotra sahady fisaorana sy fankatelemana feno ho anao ny FLM Paris amin’izay foinao sy hatolotrao amin’izao Voka-Dehibe izay karakarainy izao.
Fa Andriamanitra tokoa dia tsy mba manadino ny soa hataonao, sokafany aminao ny tanan’ny fitahiany amin’ny fahafenoina, fa an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy na ny volamena na ny volafotsy (Hagay 2.8).
Dia mirary soa ho anao, ary manonona ny fiadanan’i Jesosy aminareo .
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.
Pastora Edmond Raharijaonarivelo 
sy ny Komity FLM Paris