top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Nouvelles Actualites FIFIL Lasa i Dadatoa Germain Andrianarijaona
Lasa i Dadatoa Germain Andrianarijaona PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Dr Lalao R   
Vendredi, 07 Juin 2019 15:57

"Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra" (Jaona 13.13-14)

 Lasa tokoa lahy Dadatoa Germain na Papan'i Tahina ! Banga dia banga ny toerany, tsy eo amin'ny vady aman-janany ihany na ny ankohonany fa eo amin'ny FLM iray manontolo !

Tena nitory an'i Jesosy manerana ny nosy sy hatratÿ ampitan-dranomasina izy.
Izy koa no mpanentana sy mpampifaly fo amin'ny fampihomezana rehefa sakafom-pirahalahiana ! 
Eto amin'ity sary ity dia nametraka fianarana ho antsika izy : manasa ny tongotr'i Pastora R. Edmond, Mpitondra Fileovana Paris izy eto.
Koa ianareo Pastora, aoka hifankatia sy hifanasa tongotra tompoko !
Isika rehetra mpianakavin'ny finoana, aoka hifankatia satria samy zanak'Andriamanitra, lanitra iray no ho vantanina ! 
Zahay teto France dia nahazo tombony lehibe fa novangiany matetika ! Vao tamin'ny fankalazana ny Noelin'ny Toby tao Pouru tamin'ny volana Janoary 2019 no namangy tatÿ izy. Ary mahagaga fa toy ny tonga hanao veloma anay teto France izy, fa notsaboina tao amin'ny hopitaly Sedan akaiky ny toby Pouru na dia nokasaina ho tsaboina tany Strasbourg aza. Ny tenako manokana dia faly fa na dia reraka aza izy, dia nantsoiny an-téléphone aho ny Alahady maraina ny 19 Mey ary faly nihaona izahay mianadahy tamin'io andro io.

Vita ny azy tompoko ! Ny antsika no sisa !
Mirary fionona indrindra ho an'ny vady aman-janany, ny ankohonany ary isika fianakaviam-ben'ny mpiara-mihazakazaka eo amin'i Jesosy maneran-tany 

Dr Lalao R

 

Mise à jour le Vendredi, 28 Juin 2019 21:30
 

Calendrier

Le mois dernier Mars 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 9 1 2 3
week 10 4 5 6 7 8 9 10
week 11 11 12 13 14 15 16 17
week 12 18 19 20 21 22 23 24
week 13 25 26 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .