top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


ADVENTO PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur   
Vendredi, 02 Décembre 2022 18:51

 

Andro fiandrasana, fiomanana amin’ny fiavian’ny mpanjaka lehibe na olona manam-boninahitra  no hevitrin’ny teny hoe “Advento”. Ny Alahady efatra mialoha ny Krismasy no marihin’ny Fiangonana ho litorjia ny Advento izay iandrandrana fatratra ny fahatongavan’ny Krismasy, fahatsiarovana ny nahatongavan’Ilay Mpanjaka lehibe, dia Jesosy. 

Zava-dehibe tokony tsy hohadinontsika anefa, fa ny advento dia tena mampatsiahy antsika kristiana koa fa Jesosy dia mbola hiverina indray ary tokony hiomana mandrakariva isika. Hoy Jesosy:”…raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?”(Lioka 18:8)

Noho izany dia tokony hiomana tokoa isika amin’ny fihavian’i Jesosy. Ho vonona mandrakariva, tahaka ireo virjina dimy hendry,  niambina ka naharitra mandra-pihavian’ny mpampakatra.
Eo anatrehan’izany dia tokony olona manao ahoana isika ? sao mandeha araka ny fanaon’izao tontolo izao, na variana amin’ity tany ity sy ny filany.
Koa ankehitriny dia mampiomana anao Jesosy amin’ny izao Advento izao, mba hiambenanao amin’ny fihaviany indray. Hoy Jesosy: “Miambena ka ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona”(Lioka 21:36).
Mise à jour le Dimanche, 22 Janvier 2023 20:06
 

Calendrier

Le mois dernier Juin 2023 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 22 1 2 3 4
week 23 5 6 7 8 9 10 11
week 24 12 13 14 15 16 17 18
week 25 19 20 21 22 23 24 25
week 26 26 27 28 29 30

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .